• PRIÈRE PRÉPARATOIRE

    À LA VISITE DU PAPE FRANÇOIS À MADAGASCAR

    SEMEUR DE PAIX ET D’ESPÉRANCE

    Visite du Pape François

    à Madagascar

    6 - 10 septembre 2019

    Dieu Père, nous te rendons grâce car Tu continues à manifester ta miséricorde. Tu as envoyé Jésus ton Fils annoncer l’Évangile et nous a sauvés et libérés de l’esclavage et de la souffrance du péché. Il a appelé et envoyé ses disciples. Tu as voulu que la joie de l’Évangile arrive au sein de chaque famille.

    Notre patrie a été privilégiée grâce à l’annonce faite par les Missionnaires. Il y a 30 ans, le Pape Jean Paul II, Successeur de Saint Pierre Apôtre, désormais canonisé est venu à Madagascar. Maintenant le Pape François viendra nous visiter pour raffermir dans la foi ton peuple bien aimé vivant sur cette île en semant la paix et l’espérance. Nous sommes reconnaissants envers Toi pour cette immense grâce. 

    Tu connais la soif de renouveau de notre Nation confrontée à des multiples misères. Envoie ton Esprit Saint afin qu’Il illumine notre intelligence et notre coeur pour nous aider à reconnaître nos péchés et nous conduire à la conversion.

    Que cette visite apostolique du Pape François nous réconcilie avec Toi et apporte des fruits pour la vie de la nation et de l’Église à Madagascar en union avec l’Église universelle.

    Par Jésus le Christ notre Seigneur. Amen.

    • Gloire au Père .....
    • Sainte Marie immaculée, Patrone de Madagascar,
    • Prie pour nous qui supplie ton secours
    • Saint Jacques Berthieu – Prie pour nous
    • Bienheureuse Victoire Rasoamanarivo - Prie pour nous.
    • Bienheureux Raphaël-Louis Rafiringa – Prie pour nous.
    • Bienheureux Jean Beyzim – Prie pour nous.
    • Bienheureux Lucien Botovasoa – Prie pour nous.

    Fait le 21 avril 2019,

    Dimanche de Pâques

  • VAVAKA FIOMANANA

    AMIN’NY FAMANGIANA APOSTOLIKA ATAON’NY PAPA RAY MASINA FRANSOA

    MPAMAFY FIADANANA SY FANANTENANA

    Papa Fransoa

    mamangy an’i Madagasikara

    6 - 10 septambra 2019

    Ry Andriamanitra Rainay ô, misaotra Anao izahay fa tsy mitsahatra maneho ny famindramponao Ianao. Naniraka an’i Jesoa Zanakao Ianao nitory ny Evanjely ka namonjy sy nanavotra anay hiala amin’ny gejan’ny fahotana mamatotra sy mampahory anay. Niantso sy naniraka mpianatra Izy. Tianao hanenika ny isan-tokatrano ny hafaliana entin’izany Evanjely izany.

    Nahazo tombony tamin’izany ity tanindrazanay ity tamin’ny alalan’ireo Misionera tonga taty aminay. 30 taona lasa izay namangy anay ny Papa Joany Paoly faharoa, dimbin’i Md Piera Apostoly, efa tonga olomasina ankehitriny. Ho avy hamangy anay ny Papa Fransoa, hankahery ny vahoakanao eto amin’ity Nosy malalanay ity ary hamafy fiadanana sy fanantenana. Mankasitraka sy mankatelina Anao izahay noho izany fahasoavan-dehibe izany.

    Fantatrao fa mangetaheta fihavaozana ny firenenay izay misedra fahoriana maro lafy. Koa iraho ny Fanahinao Masina hanokatra ny saina sy ny fo amam-panahinay, hanampy anay hahatsapa ny haratsianay sy hitondra anay amin’ny fibebahana.

    Enga anie izao fitsidihana apostolika ataon’i Papa Fransoa izao hampiombona anay Aminao ka hitondra voka-tsoa betsaka amin’ny fiainan’ny Eglizy eto aminay miombona amin’ny Eglizy eran-tany sy ny fiainan’ny firenenay.

    Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay no angatahanay izany. Amen.

    • Voninahitra anie......
    • Masina Maria, notorotoronina tsy azon-keloka Mpiaro an’i Madagasikara – Mivavaha ho anay izay mangata-bonjy aminao
    • Md Jacques Berthieu – Mivavaha ho anay.
    • Victoire Rasoamanarivo, Olontsambatra – Mivavaha ho anay.
    • Raphaël-Louis Rafiringa, Olontsambatra – Mivavaha ho anay.
    • Jean Beyzim, Olontsambatra – Mivavaha ho anay.
    • Lucien Botovasoa, Olontsambatra – Mivavaha ho anay.

    Anio Alahady 21 avrily 2019,

    Fankalazana ny Paka